Fondation Mohammed VI: Nanampy ny mpianatra Ankatso sy ny mponin’Antsirabe
2026-03-02 - 04:46
Toy ny fanaon’ny Fondation Mohammed VI isan-taona, eto Madagasikara, misy ny hetsika Firaisankina, mandritra ny volana Ramadany. Nisy ny fanomezana sy fanampiana ny mponina tao Antsirabe, afakomaly, sy ny mpianatra Ankatso, omaly. Notanterahina omaly, teny Ankatso, ny hetsika fanampiana ny mpianatra, niarahana tamin’ny Fondation Mohammed VI, sampana Madagasikara. Nisitraka izany ny mpianatra miisa 200 avy amin’ny antokom-pinoana samihafa sy solontenan’ny faritra samihafa eto amin’ny Nosy. Vary, menaka, ronono sy kojakoja samihafa no nozaraina nandritra izany. Mialoha izay, nitsidika sy nitondra izay voatsirambin’ny tanana teny amin’ny hopitalin’ny ankizy ao Ambohimiandra koa izy ireo. Nilaza ny filohan’ny fikambanana sampana Madagasikara, Hamidou Ali, fa “zava-dehibe ny fifampitsinjovana sy fifanohanana tahaka izao. Indrindra amin’ny volana masina Ramadany”. « Firenena 48 manerana an’i Afrika no efa misy ny Fondation Mohammed VI. Samy manatanteraka hetsika ho mariky ny fifankatiavana amin’ny samy olombelona tahaka izao avokoa izahay. Fikambanana izay ivondronan’ny sokajin’olona samihafa, toy siantifika, ny mpampianatra, ny mpikaroka, sns. Tokana anefa ny tanjona dia ny fampielezana sy fampiroboroboana ny finoana silamo », hoy hatrany ny filohan’ny fikambanana. Sesitany Marihina fa anisan’ny nisitraka ny fanampiana koa ny fianakaviana miisa 250, tao Antsirabe, afakomaly. Toerana iray manana ny toerany manokana ao am-pon’ny mpanjaka sy ny taranany ary ny vahoaka maraokanina iray manontolo. Raha tsiahivina ny tantara, tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra no nalefa sesitany ny mpanjaka Mohammed V, fony izy niady sy nanohitra ny mpanjanatany. Nijanona herintaona mahery tao an-toerana izy rehefa avy naondrana an-keriny tany Corse. « Efa nisy ny fanampiana ny mponin’Antsirabe tamin’ny herintaona, satria tsy azonay atao ambanin-javatra ny tantara raiketin’ity tanàna ity. Mariky ny fifamatoran’ny mponina eo amin’ny dorénavant roa tonta izany », hoy ny filoha Hamidou namarana ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety teny Ankatso, omaly. r.r