TheMadagascarTime

Fotoana izao…

2026-03-23 - 04:43

Tena mila fanovana ny firenena? Na rafitra, na lalàna, na olona, na fomba fiasa... Tsy misy mpanohitra izany fa mpanohariana, raha ny nambaran’ny Praiminisitra vaovao. Iza tokoa no ndeha hanohitra fanavaozana? Fana­tsarana ho amin’ny mety sy tsara ary mahasoa kokoa no ho ny teo aloha... Lanja miakatra ny fiainana! Saika mila fanavaozana avokoa ny sehatra rehetra, raha ny tatitry ny fitsarana momba ny kaonty no zohina? Mila arenina... 3 811 miliara Ar be izao no vola very amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Tsy aiza ny vano nitsaingoka ny sahona na ny takatra nihinana ny valala fa ao ihany. Noho ny rafitra no antony, ny lalàna, ny fomba fiasa, ny tomponandraikitra... Na eo amin’ny fitantanana vola, fitaovana, olona... Dia manjaka ny gaboraraka, ny tsy fangaraharana, ny tsy fanarahan-dalàna, ny fitantanana mifanidran-dalana, ny fanaovana ampihimamban’olom-bitsy... Tari-drano an-kilahila, ka ny mania no betsaka. Mampahantra vahoaka? Mila iadiana, arenina, onerana... Fotoana izao? Tena atao ny fanovana na fanavaozana? Ho an’ny rehetra amin’ny sehatra rehetra... Tsy vita mora, mila fahasahiana, fahavonona, firaisankina, faharetana... Sao mamono biby tsy mahafaty, sanatria, ka hifoteran’ny rambony. Tsy hipetra-potsiny amin’izao ireo ho very tombon­tsoa. Manana ny tambajotrany? Mifampiaro, mifamonjy... Sarotra sy mafy ny toe-draharaha. Nefa tsy maintsy atrehina sy atomboka ny fanadiovana, ny ady amin’ny tsimatimanota, mpiray petsapetsa, fanetribe... Mila manana tambajotra enti-miady koa ny tsara sitrapo, mitady fanovana sy fanavaozana. Fotoana izao! Izay no maha zava-dehibe ny fikaonandoha isan-tsehatra: iza no manao inona? Indrindra ny fikaonandoham-pirenena ho amin’ny tena fanovana sy fanavaozana. Mby aiza? Alao hery... R. Nd.

Share this post: