GEM: Voafidy fanindroany Rabarijohn Francis
2026-03-21 - 05:13
Voafidy indray ho filohan’ny Groupement des entreprises de Madagascar (Gem) Rabarijohn Francis taorian’ny fivoriambe natao ny 19 marsa lasa teo. Manohy hatrany ny fanatsarana efa natomboka ny sehatra tsy miankina, sady mampiseho finiavana hitazona ny fitoniana eo amin’ny tontolon’ny toekarena malagasy. Manamafy ny filohan’ny Gem izay hitantana indray mandritra ny roa taona fa miorina amin’ny vokatra tsara azo nandritra ny fe-potoam-piasana voalohany ity fanapahan-kevitra ity, miaraka amin’ny finiavana hanatsara hatrany ny asa. Nasongadina manokana ny fahaiza-mitarika, ny vina mazava ary ny fahavononan’ny filoha hitondra ny feon’ny sehatra tsy miankina amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra sy asa. Anisan’ny laharam-pahamehana amin’ity fe-potoana faharoa ity ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana. Hifantoka ihany koa amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanamafisana ny fitsarana ara-drariny ny Gem, ho antoky ny fitokisan’ny mpandraharaha. Tanjona lehibe iray hafa ny hanafainganana ny fanovana ara-toekarena. Kasaina hampiroborobo ny famokarana misy sanda ambony kokoa amin’ny alalan’ny fanodinana eto an-toerana ny akora fototra sy ny fanomezana lanja ny sehatra nasionaly izany. Henintsoa