Governemanta vaovao : Raikitra ny ady varotr’ireo mpanao politika
2026-03-24 - 04:43
Hampahafantarina, anio, raha tsy misy ny fiovana ireo ho mpikamban’ny governemantan’ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana. Maromaro ireo antoko politika nanao adisisika amin’ny hahazoana toerana amin’izany ary efa nihaona tamin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël teny Iavoloha, ny herinandro teo. «Nafotaka ny fifandresen-dahatra tamin’izany. Tao ireo nangataka ny hitazonana amin’ ny toerany ireo olon’ny antokony. Ny hafa kosa any amin’ny departemanta hafa», hoy ny loharanom-baovao. Fantatra tamin’izany koa fa hanolotra olona ho ao anaty governemanta ny avy amin’ny Vovonana Irmar. Efa nanana anjara toerana tamin’ny fitantanana tamin’izao fitondrana izao kosa ny avy amin’ny Tim sy ny HVM. Nametraka tanjona ho amin’ny fampiraisana ny ankolafin-kery rahateo ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, araka ny torolalana nomeny ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, amin’izao fananganana governemanta izao. Hiditra an-tsehatra ny Gen Z Etsy andaniny, anisan’ireo nanolotra ny antontan-taratasiny ho kandidà amin’izany governemanta vaovao izany koa ny avy amin’ny tanora Gen Z, amin’ny alalan’ Andriamanantena Herizo. Hiditra an-tsehatra izy ireo amin’ity indray mitoraka ity. Tsiahivina fa maromaro ireo fikambanana na sendikà nametraka masontsivana sy fitakiana ny amin’ireo olona tokony hisahana minisitera na departemanta amin’izao governemanta izao. Araka izany, andrasana ny hampahafantarana izany amin’ny fomba ofisialy. Synèse R.