Gymnastique-2026 : Hanangana kaomisionina “aérobic” sy “artistique”
2026-03-03 - 04:46
Nanatanteraka fivoriambe fanao isan-taona, omaly, teny amin’ny Foiben’ny Kom Ivandry, ny federasionina malagasin’ny Gymnastique. Fivoriana nanaovana ny tatitra 2025 sy nanolorana ny programa 2026. Taranja efa nisy ela teto Madagasikara ny “Gymnastique” saingy tsy mbola nisy rafitra mazava nitantana azy. Nanomboka ny taona 2024, nitantanan-dRandriamalala Jacquis ny Federasionina malagasin’ny “Gymnastique”, nanomboka tazana, indrindra teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ity taranja ity. Ligy 2, hatreto, no misy eto Madagasikara izay samy tonga nanatrika sy nankato ny tatitra natao nandritra ity AGO ity. Ny “Gymnastique rythmique” sy ny Parkour no mbola misy eto, saingy vinan’ny federasionina amin’ity taona ity ny hanangana kaomisionina “aérobic” sy “artistique”. Ankoatra izay, efa tena nahavita dingana maro ny taranja nandritra izay 2 taona latsaka izay. Anisan’izany ny fandraisan’anjaran-dRakotonirina Tiara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena maro, toy ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany. Torak’ izany koa ny taranja Parkour izay efa fanindiminy izao no handray anjara amin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany. Mbola fanamby goavana ihany koa anefa no miandry amin’ity taona 2026 ity, iantsoan’ny federasionina fanohanana amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanterahana. Mba hahafahan’izy ireo misitraka ny “subvention” avy amin’ny fanjakana malagasy, satria efa manana atleta avo lenta i Madagasikara eo amin’ity taranja ity, raha tsy hiteny afa-tsy i Tiara (rythmique) sy i Dinah (Parkour). Mi.Raz