TheMadagascarTime

Gymnastique rythmique : Mizara traikefa eto i Isabelle de Cossio

2026-02-21 - 06:27

Mpanazatra malagasy 10 mianadahy no miatrika fiofanana eo amin’ny taranja “Gy­mnastique rythmique”, eny amin’ny Kianja mitafon’i Maha­masina, nanomboka ny alakamisy 19 febroary lasa teo hatramin’ny alahady 22 febro­ary izao. Ny manam-pahaizana avy amin’ny federasionina iraisam-pirenena ny “gymnastique”, i Isabelle de Cossio no mizara ny traikefany, izay efa fanintelony izao izy no tonga eto Madagasikara. Ho fanatsarana sy hampiroboroboana ny taranja no tena tanjona, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasionina malagasy ny Gymnastique, Randria­ma­lala Jacquis. Aorian’ny eto Antana­narivo, hahazo ny anjarany ihany koa ny any Antsi­rabe, manomboka ny talata izao, araka ny fandaharam-potoana. Mpanazatra 14 avy ao Antsirabe no hisitraka izany. Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, amin’ny volana avrily izao, any Afrika Atsimo no miandry an’i Mada­gasikara. Hanana solontena 2 i Madagasikara ka anisan’izany, Rakotonirina Tiara. Mbola hojerena kosa ny atleta iray fanampiny raha ny fanazavana hatrany. Mi.Raz

Share this post: