TheMadagascarTime

Hainahandro: Hivelatra kokoa ny « LaTabatra » andiany fahatelo

2026-03-26 - 04:52

Havory amina toerana iray ny mpisehatra rehetra amin’ny hainahandro sy ny tontolony. Hiray talabatra, izay no tanjon’ny hetsika “LaTabatra”, hatao eny amin’ny CCI Ivato. Hetsika miompana ma­nontolo amin’ny tontolon’ny hainahandro. Ho­tontosaina ny 18 sy 19 avrily ho avy izao ny andiany fahatelo amin’ny « LaTabatra ». Nisy ny fampahafantarana, izay no­tontosaina omaly, tetsy amin’ny Gara Soarano. Vaovao le­hibe voalohany ny fifindran’ny hetsika eny amin’ny CCI Ivato. Porofo izany fa hivelatra bebe kokoa ny hetsika. “Mahave­lom­belo ny fahitana ny fitombon’ireo mpandray anjara. Hivelatra toa izany koa ny tolotra ho an’ny mpanjifa sy mpankafy ny hainahandro”, hoy i Fitia Randriamifi­di­manana Rasolofoniaina, mpikarakara avy ao amin’ny Studio 58. Tranoheva am-polony maro, samy haneho ny mampiavaka azy no hampiarahana amina toerana iray mandritra ireo roa andro ireo. Natao ho ambohipihaonan’ny rehetra misehatra manodidina ny lakozia sy ny hainahandro amin’ny ankapobeny mihitsy io. Hahitana ny fitaovana fampiasa, ny akora fototra, ny fanehoana talenta amin’ny hainahandro isan-karazany, sns. Sehatra ho an’ireo tanora vao manomboka milomano amin’izany koa. Tsiahivina fa saika hotontosaina ny volana oktobra 2025 ity hetsika ity. Noho ny toe-draharaha nisy teto amin’ny firenena anefa, izao indray vao raikitra izany. Raha toa ka mpitsidika tany amin’ny 1 600 no nandalo tamin’ny andiany voalohany, niakatra 4 000 izany ny andiany fahatelo. Antenaina hitombo hatrany izany amin’ity. Zo ny Aina

Share this post: