TheMadagascarTime

Hamehana ny fanarenana: Miantso ny Fianakaviambe iraisam-pirenena ny Praiminisitra

2026-02-12 - 04:48

Manaraka akaiky ny fivoarana sy ny takaitran’ny rivodoza Gezani ny Praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama. Nisy ny dinika nampitain-davitra nanomezany toromarika ny mpikamban’ny governemanta. Manatanterahana iraka any ivelany amin’izao fotoana izao ny Praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama. Na izany aza, anaty hamehana ny firenena ka nampiantso ny filankevitry ny governemanta maika amin’ny alalan’ny ampitain-davitra ny tenany, omaly. Natao izany mba handrindrana haingana ny fepetra raisina sy hanamafisana ny fanohanana ireo faritra voakasiky ny fandalovan’iny rivodoza iny. “Laharam-pahamehana ny fiarovana ny mponina sy ny fanarenana haingana ny fahasimbana nateraky ny rivodoza”, hoy ny toromariky ny Praiminisitra. Nohamafisina nandritra izany filankevitra izany koa ny fanetsiketsehana ireo sampandraharaha rehetra, tsy afa-miala amin’izao fahavoazana izao. Mba hiantohana ny fandefasana fanampiana ara-potoana sy ny fanombanana ny fahavoazana eny ifotony izany, araka ny nambarany. “Efa miroso ihany koa ny fandrindrana ny asa fanarenana, indrindra amin’ireo fotodrafitrasa sy tokantrano simba”, hoy izy. Niantso tolo-tanana Nanamafy ny lehiben’ny governemanta fa loharanon-kery ahafahana mampanjary amin’ny fomba haingana ireo toromarika rehetra ny niatrehan’ny filohan’ny Fanavao­zana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël, ny zava-nisy tany an-toerana. Miara-miatrika izany amin’ny vahoaka, araka ny nambarany. Etsy andaniny, niantso ny firaisankinan’ny olom-pirenena sy ireo mpiara-miombon’ antoka iraisam-pirenena hiray hina amin’i Madagasikara ihany koa ny tenany amin’izao fotoana izao. “Hifanohana sy hiara-kientana ary handray anjara feno amin’ny fanarenana an’i Toamasina sy ireo faritra rehetra nandalovan’ny ri­vodoza Gezani isika”, hoy izy. Tsiahivina fa nampita ha­fatra, niondrika am-panajana manoloana ireo aina nafoy, ny mpikamban’ny governemanta manontolo, ary maneho fiaraha-miory lalina sy mankahery ireo fianakaviana traboina, araka ny tatitra hatrany. Synèse R.

Share this post: