TheMadagascarTime

Hamonjena ny traboina : Nanolotra fitaovana ho an’ny BNGRC ny COI

2026-02-27 - 04:56

Notanterahina omaly, teny amin’ny foiben-toeran’ny BNGRC, ny fandraisana ny fitaovana nomen’ny Commission de l’Océan Indien (COI). Tafiditra amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta izany, ao anatin’ny tetikasa « Renforcement de la résilience et gestion de la réponse aux catastrophes dans l’Océan Indien » (RDRM). Fanamafisana ny fitaovana ho an’ny Centre opérationnel eo amin’ny foibe sy any amin’ny faritra no ilana ny fanomezana. Ahitana fitaovana informatika, lakana misy motera entina mamonjy voina ahafahana manafaingana asa ary kojakoja hampitana vaovao miainga avy amin’ny toerana nitrangan’ny loza voajanahary izany, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny BNGRC, jeneraly Ramanan­tsoa Gabriel. “Entina hampihenana ny fiantraikan’ny loza amin’ny asa fiomanana mialoha sy ny famonjena aorian’ny loza voajanahary ny tohana. Efa nampiasaina nandritra ny fiatrehana ny rivodoza Fytia sy Gezani. Efa nisy ampahany tamin’ireo tonga tamin’ny faran’ny taona 2025”, hoy ny masoivohon’ny Vondrona eoro­peanina miasa eto amintsika, i Roland Kobia. “Fitaova­na enti-miasa mandritra ny taona maro ireo ka ny Mala­gasy no hitantana sy hikojakoja hampaharitra azy ho fanamafisana ny fahaiza-miatrika ao anatin’ny voina sy hanatsarana ny asa fiomanana rehetra”, hoy ny tale lefitry ny COI. Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa koa ny fanaovana fanazaran-tena (Simex) miaraka amin’ny faritra maromaro itrangan’ny loza voajanahary matetika. Hanatsara ny fandrindrana ny asa eny ifotony amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ny fitaovana rehetra azo, indrindra ho an’ny fanangonana vaovao rehefa mitranga ny loza. Efa niasa nandritra ny fiatrehana ny voina ho an’ny any Atsimo sy Atsimo Atsinanana ny ampahany tamin’ireo fitaovana ireo, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Vonjy

Share this post: