TheMadagascarTime

Handball – CCCOI : Resin’ny TMI Ihosy ny AJM Tsimkoura

2026-02-10 - 04:48

Niditra tamin’ny andro faharoa, omaly, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny ekipa tompondaka, taranja handball (CCCOI 2025). Fifaninanana tanterahina any amin’ny Kianja mitafo Toamasina. Nisantatra ny fihaonana ny lalao teo amin’ny sokajy vehivavy. Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 37 no ho 32 ny TMI Ihosy nanoloana ny AJH Tsimkoura, Mayotte. Niady hatramin’ny farany ny lalao teo amin’ny roa tonta. Manaporofo izany ny isa teo am-pialantsasatra, 16 no ho 15, nitarika ny TMI, nahitana an-dry Marcella sy ry Francia. Hita nanantombo anefa ny Mala­gasy mpilalao teo amin’ny hafainganam-pandeha sy ny va­lim-panafihana. Nisongadina rahateo i Stephana sy i Fredia, ta­min’ny famonoam-baolina. Tsiahivina fa, faharesena fanindroany ity ho an’ny Mahorey. Efa lavon’ny THBC izy ireo, teo amin’ny andro voalohany natao ny alahady lasa teo. Hitohy, anio, ny fifanintsanana lalao roa ihany no voalahatra: iray eo amin’ny sokajy vehivavy, hifanandrinan’ny TMI sy ny My-Sah ary iray eo amin’ny lehilahy hihaonan’ny Littoral sy ny Mboua­natsa Mayotte. Tompondaka

Share this post:
Handball – CCCOI : Resin’ny TMI Ihosy ny AJM Tsimkoura | TheMadagascarTime