Handball malagasy: Hampiantrano lalao iraisam-pirenena roa
2026-02-02 - 05:07
Nambaran’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny Handball, Ratsimandao Andriamanga Herilovasoa, ny zoma teo, tetsy Ampefiloha, fa hampiantrano lalao iraisam-pirenena roa ny Malagasy, amin’ity taona ity. Anisan’izany ny fifaninanana ho an’ny ranomasimbe Indianina, CCOI, izay hotanterahina any Toamasina, ny 8 hatramin’ny 15 febroary ho avy izao. Hatreto, mbola firenena roa ihany no fantatra fa handray anjara amin’izany: i Madagasikara, mpampiantrano izay manana ekipa enina, telo sokajy lehilahy, telo vehivavy, sy ny Nosy rahavavy Mayotte. Marihina fa mbola andrasana ny valin-tenin’i La Réunion sy i Comores. Ankoatra izay, hotanterahina eto Antananarivo, ny 27 – 31 mey, ho avy izao, ny « IHF trophy », faritra fahafito, sokajy zandriny. Ho fiatrehana izany, hisy ny fifaninanana nasionaly natao hifantenana ireo mpilalao mendrika ny handrafitra ny ekipam-pirenena. F.R