Handball : Nofoanana tanteraka ny CCCOI 2025
2026-02-13 - 04:59
Notapahin’ny fikambanan’ny handball aty amin’ny ranomasimbe Indianina (AHBOI) sy ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB) fa foana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCCOI 2025), natao tany Toamasina. Ny fahasimban’ny Kianja mitafo, noho ny rivodoza no antony. Andrasana amin’ny fotoana manaraka ny ho tohiny. Vokatry ny fahasimban’ny Kianja mitafo ao Toamasina, tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, ny talata lasa teo, natsahatra ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny ekipa tompon’ny amboara, taranja handball, (CCCOI 2025). Io ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filohan’ny fikambanan’ny handball aty amin’ny ranomasimbe Indianina (AHBOI) sy ny tomponandraikitry ny Federasiona malagasy (FMHB) ary ny solontenan’ireo ekipa nandray anjara, nivory ny alarobia lasa teo. Hiankina amin’ny zava-misy ny ho tohiny, izay tsy mbola voafaritra. Raha ny fampitam-baovao, tsy ho any Toamasina intsony ny hanatontosana ny tohiny fa hifindra any amin’ny faritra hafa. Raha tsiahivina, nitsahatra teo amin’ny andro fahatelo ity fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ity. Miandry ny kaonferansin’ny filoha kosa ny hahalalana ny pitsompitsony rehetra, toy ny isan’ny ekipa handray anjara raha toa ka misy ny miala an-daharana amin’ireto nandray anjara sy ny fitsipiky ny fifaninanana. Firenena roa ihany no niatrika ity fifaninanana ity dia i Madagasikara, mpampiantrano sy i Mayotte. Nisy ekipa efatra teo amin’ny vehivavy, nahitana ny THBC Analamanga, ny TMI Ihosy, ny My-Sah HBC Itasy ary ny AJM Tsimkoura Mayotte. Klioba telo ihany kosa ny teo amin’ny lehilahy dia ny Littoral SC Atsinanana, ny ASC Tsingoni sy ny USM Mbouanatsa samy avy any Mayotte. Raha hiverenana ny voka-dalao efa tontosa, samy nahazo fandresena indray mandeha avy ireo ekipa malagasy teo amin’ny sokajy vehivavy. Efa tojo faharesena indroa kosa ny mahore. Teo amin’ny lehilahy, nitarika ny Tsingoni Mayotte, nahazo fandresena indroa. Tompondaka