TheMadagascarTime

Handeha hody : Lehilahy 32 taona maty lasan’ny rano

2026-01-29 - 06:04

Nahitana lehilahy iray, 32 taona, maty an-drano tany amin’ny ranon’ny Sakay Andolofotsy, ny alatsinainy 26 janoary, tokony ho tamin’ny 06 ora maraina lasa teo. Niampita izy sy ny olona iray hafa tamin’io fotoana io. Avy eny Andolofotsy, hihazo an’Alakamisy izy ireo, raha ny fanazavana voaray. Niakatra anefa ny rano teo amin’ny fiampitana noho ny rotsakorana matetika tany an-toerana. Lasan’ny rano, nilentika, noho izany, ny iray. Raha tafita soa aman-tsara kosa ny olona iray hafa niaraka taminy. Nampilazana ny fianakavian’ny niharam-boina, ny tomponandraikitra, ny sefo fokontany. Nampandrenesina ihany koa ny zandary miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Andolofotsy. Natao ny fikarohana ny niharam-boina ary vatana mangatsiaka no nakarin’ny fokonolona avy ao anaty rano. Efa nakarin’ny fokonolona teny an-tanety moa io lehilahy hita faty io tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo manam-pahefana teny an-toerana. Tsy niandry ela fa tonga haingana teny ifotony, nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana, ny zandary miisa roa, taorian’ny antso. Tsy nahitana ratra na mangana ny vatany, nandritra ny fizahan’ny mpitsabo. Sempotry ny rano ny antony nahafaty azy, raha ny fanazavana voaray. Monina any Vinany Ambo­sitra io lehilahy maty an-drano io. Natolotra ny fianakaviana ny razana taorian’ny fizahana sy ny fanadihadiana nataon’ny manam-pahefana. Mino

Share this post: