Havatsa –Upem : Nankasitrahina ireo mpanoratra nahavita be
2026-02-02 - 05:07
Fikambanana zokiny indrindra. Notanterahina afakomaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny lanonana fanolorana ny mariboninahitry ny kanto, ny soratra ary ny kolontsaina, ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Havatsa-Upem. Nisitraka izany ny mpanoratra miisa 28. Nakarina ho laharam-boninahitry ny kanto «Commandeur», izay fara-tampony ny 11. Mpanoratra efatra nosalorana ny «Officier», 13 nahazo ny «Chevalier». Nahavita be, nametraka ny dian-tanany, teo amin’ny tontolon’ny literatiora sy nanabe voho ny teny malagasy izy ireto. Nanotrona ireo nahazo mariboninahitra ny mpanoratra zokiny, nampita ny fanilo tao amin’ny Havatsa Upem. Teny an-toerana ihany koa ny mpandimby aty aoriana, izay porofo fa miaina ny fikambanana. Ho fanamafisana izany, nisy ny fametrahana « salotrasina » ho an’ireo mpikambana miisa 12 mianadahy. Midika ny maha mpikambana feno azy ireo ao amin’ny Havatsa Upem izany. Nifanindran-dalana, tamin’izany, ny fandraisan-tanana ny mpikambana vaovao miisa 12. Hiroso anatin’ny sedra, araka ny fitsipika mifehy ny fikambanana ireto farany. Maro ny fandaharam-potoan’ny Havatsa-Upem amin’ny taom-pikatrohana 2026, araka ny nambaran-dramatoa Hajaina, filohan’ny fikambanana, nandritra ny lahateniny. Zo ny Aina