TheMadagascarTime

Hetsi-pahatsiarovana ny 29 mars 1947: Hamelona ny afon’ny fitiavan-tanindrazana

2026-03-21 - 05:03

Nosokafana omaly, teny amin’ny Zaridaina Anosy, ny hetsi-pahatsiarovana ny faha-79 taona ny tolom-panafahana 29 marsa 1947. Nitarika ny lanonana teny an-toerana ny tale mpiahy ny mpiady tia tanindrazana sady mpitarika ny komity teknika mpanomana ny hetsika, notarihin’ny Jly Ran­drianantenaina Emilson. « Tan­jona amin’ity hetsi-pahatsiarovana ity ny hamelona indray ny afon’ny fitiavan-tanindrazana amin’ny taranaka aty aoriana », hoy ity manamboninahitra jeneraly ity. Araka ny lamina rehetra nataon’ny komity mpikarakara, taorian’ny fanokafana, nisy ny fampirantiana momba ny tolona nataon’ireo mpiady Tia Tanindrazana tsy nanaiky ho zogain’ny mpanjanatany. Teo koa ny fizaham-pahasalamana ireo zokiolona akanga sisa nanamborana. Voalaza fa mbola hisy koa ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ary ny fametrahana ny fehezam-boninkazo ny 29 marsa ho avy izao, eny amin’ny tsangambaton’ireo maherifo, isak’ireo distrika mirakitra ny tantaran’ny hetsi-panafahana. No­hama­fisin’ny Sekretera je­ne­ralin’ny minisiteran’ny Folo­alindahy, ny Jly Andriama­sinoro Fanjani­rina, fa maro no mbola vonona hijoro hiady ho an’ny Tani­ndrazana. « Foto­ana hanamafisana ny fitiavan-tanindrazana izao. Fanehoana ihany koa fa ny Malagasy niady sy nitolona ho an’ny Tanindra­zana, tao ireo namoy ny ainy satria tsy nanaiky ny famoretan’ireo mpanjanatany », hoy izy. Jean Claude

Share this post: