TheMadagascarTime

Hiatrehina ny fiovan’ny toetr’andro : Nofanina ny teknisianina sy ny mpiray ombon’antoka

2026-02-26 - 04:46

Notontosaina teto Antana­narivo ny fampahafantarana ny Climate Risk Informed Decision Analysis (Crida) sy ny fampiofanana ireo teknisianin’ny minisitera sy ireo mpiray ombon’antoka rehetra. Momba ny teknika sy fomba entina hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fiantraikany, indrindra amin’ny tahirin-drano eto Madagasikara izany, araka ny fanazavan’ny talen’ny Andea, Rasoamiara­manana Ngolatiana Hobinan­tenaina. Fitaovana iray ahafahana mamaritra ny fisian’ny rano sy ny hoavin’ny fiovan’ny toetr’andro (haintany, tondradrano) ny Crida. Misy « logiciel » ampidirina ao anatiny ahafahan’ny mpitondra mandray fanapahan-kevitra mifanandrify amin’ny antontan-kevitra ananana. Iarahan’ny minisiteran’ny Rano, fanadiovana sy fidiovana, ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, Unesco, Unicef, OIM ny Crida. Ao anatin’ny tetikasa « Voatse », miompana amin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fandriampahalemana ary ny filaminana any Atsimo Andrefana sy Androy, ny tetikasa. Mamatsy vola izany ny Tahirin’ny Firene­na mikambana ho an’ny fanamafisana ny fandriampahalemana. Hitondra vahaolana amin’ny tsy fisian’ny rano izy io satria misy fanadihadiana efa natao mandrefy ny faharefoan’ny mponina manoloana ny fiovan’ny toetr’andro sy ny rano. Hisy ny fanadihadiana manokana momba ny tahirin-drano, indrindra ny rano any ambanin’ny tany azo trandrahina, hampiasain’ny mponina. Miteraka disadisa eo amin’ ny mpiara-monina ny olana ateraky ny fiovan’ny toetr’andro, toy ny haintany, ny tsy fahampian-drano. Tanjon’ny tetikasa ny hanalefaka ny vokatr’izany. Vonjy

Share this post: