TheMadagascarTime

Hiragasy goavam-be : Samy sangany no nifanandrina

2026-01-26 - 09:11

Tarika Ramaroson Soa­nie­ranabe nifanandrina ta­min’ny tarika RaEmilison Tsi­makalagy avy any Arivoni­ma­mo. Nifandanja ny anda­niny sy ny ankilany. Izay no nahitan’ireo mpijery ilay adin-kiragasy, tetsy amin’ny Kianja RaPetit Ampefiloha, omaly. Samy nitondra sy naneho ilay nahafantaran’ny olona azy hatramin’izay ny tarika tsirairay. Samy nahatazona ny fi­fantohan’ny mpijery ihany koa. Tarika RaEmilison, anisan’ny havanana amin’ny ka­bary. Tsy latsa-danja ta­min’izany ny an’ny tarika Ramaroson avy any Soanie­ranabe. Niara-niaiky ny rehetra fa nahitana fivoa­rana tsara ny hiragasy. Afaka manaraka ny vanim-potoana ihany koa. Tsikaritra, omaly, ihany koa fa tsy mahasakana ny mpitia hiragasy ny fotoam-pahavaratra. Tolo-kevitra avy any amin-dry zareo ny : « to­kony hampidirana maraindraina ny adin-kiragasy, amin’izay mba mirava alohan’ny hirotsahan’ny orana, ny tolakandro ». Teo ihany koa ny tokony hijeren’ny tomponandraikitra isan’ ambaratonga ny asa fandraharahana eo amin’ny tonto­lon’ny hiragasy. Raha ny tazana teny an-toerana. Anisan’ny mahavariana sy mahasondriana ny mpitia hiragasy ny fandrenesana tantara atao an-kira ao anatin’ity zavakanto iray ity. HaRy Razafindrakoto

Share this post: