Hita faty tao anaty tsena : Ramatoa voarasa antsy teo amin’ny tendany
2026-03-24 - 04:24
Hita nitsirara tamin’ny tany, voarasa antsy teo amin’ny tendany ny renim-pianakaviana iray 67 taona, omaly maraina. Nisy namono tao an-tsenany, ao Mahavoky avaratra izy. Hita faty tao amin’ny fokontany Mahavoky avaratra, kaominina Mahajanga, omaly maraina, ny vehivavy mpivarotra amin’ny toeram-pisotroana iray. Ahina novonoina tao an-tsenany ihany izy, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Mbola nanao ny asany toy ny andavanandro izy ny alin’ny alahady 22 marsa, mialoha ny nahitana ny razana. Nilaza ho tsy nisy nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa anefa ny olona akaiky azy. Toaraka izany ny rahavavin’ilay lasibatra, hamonjy ny tsena, nikasa hivarotra maraina. “Nihoson-dra, efa nitsirara tamin’ny tany anefa ilay renim-pianakaviana tao an-tsena, tamin’ny fotoana nidirany tao. Niantso vonjy tamin’ny manodidina izy”, hoy hatrany ny fifampizarana nataon’ny mpitandro filaminana. Nijery ifotony ny tranga ireto farany sy ny mpiasan’ny fahasalamana. Natao ny fizahana ny vatana mangatsiakan’ilay vehivavy. Taorian’izay, nilaza ny mpitsabo fa ahina ho nisy namono, omaly marainabe, tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany izy. Karohina Niroso avy hatrany amin’ny fanadihadiana ny ekipan’ny polisim-pirenena miasa ao amin’ny kaominina Mahajanga. Nahitana tavoahangy maromaro vaky tao anatiny sy ivelan’ny tsena. Mbola teny amin’ny tanan’ilay lasibatra ny finday nampiasainy. “Vono olona niniana natao ity niseho tao amin’ny fokontany Mahavoky avaratra ity”, araka ny fanampim-panazavana voaray avy any an-toerana. Tsy fantatra mazava, hatreto, ny anton’ity vono olona feno habibiana ity. Marihina fa tsy lavitra ny toeram-pivarotany ny trano fonenany, tokony ho 30 metatra avy eo. Mandeha ny fikarohana, andrasana ny tohin’ny fanadihadiana avy amin’ny tomponandraikitra misahana izany. Tsiferana R.