TheMadagascarTime

Ho fanajana ny fomban-drazana…: Natomboka ny vava asa fandrodanana ny colisée

2026-03-14 - 05:56

Naheno paipaika ny teny amin’ny manodidina ny Rovan’Antananarivo. Misy inona ? Ho famaliana io fanontaniana io, nanao fampahafantarana ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Tamin’ny alalan’ny Sekre­tera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina no nanatanterahana ny fampahafantarana ny zava-nisy tao Anatirova, omaly. Taorian’ny fivoahan’ny didim-pitsarana laharana faha-606, tamin’ny 18 febroary 2026, izay mandidy ny fandrodanana ny «colisée» ao Anatirova. Na­natona ny minisiteran’ny Se­rasera sy ny kolontsaina ireo mpitory, ma­hakasika ny fampiharana izany didy izany. Nambaran’ireo mpitory fa izao no andro mifanentana hirosoana amin’ny fanombohana ny fandrodanana io kianja io. Ilay didim-pitsarana ni­voaka, rahateo, azo ampiharina avy hatrany na dia mbola tsy raikitra aza (jugement exécutoire sur minute non obstant toutes voies de recours). Ho fanajana ny fomban-drazana, araka ny nambaran’ireo mpitory sy ho fampiharana ny didim-pitsarana voalaza. Nanome alalana ny fangatahan’izy ireo ny minisitera mba hirosoan’ny mpitory amin’ny « vava asa » hanamarihana ny ampahan’ny fandrodanana, omaly 13 marsa 2026. Nitondra vadintany ireo mpitory nandritra ny asa rehetra, tamin’izany. Nambaran’ity taratasy fam­pahafantarana ity fa ny fanohizana ny fandrodanana dia hatao aorian’ny kaomity iraisan’ny andrim-panjakana sy ireo minisitera voakasika ary ireo ankolafiny mpitory. Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Share this post: