TheMadagascarTime

Ikalalila : Namoaka ny « Domoina »

2026-02-19 - 04:37

Tsy rakikira feno fa ampahany ihany ny « Domoina ». Ampy hahenoana, hahalalana, hankafizana ny sangana­san’Ikalalila anefa izany. Hira 6 hanehoan’ity mpanakanto ity ny aingam-panahiny sy ny fironany amin’ny mozika, hozarainy amin’izay liana manomboka anio, amin’ireo vovonam-panjifana mozika maromaro. Tsy namoaka hira satria izany ny fanao, fa mizara aingam-panahy narahina forona sy karoka, nandaniam-potoana sy natao tamim-pitiavana Ikalalila. Misarika ireo tena mpankafy mozika, hianjoria miaraka amin’ny « Domoina » izy. Izay ny nanombohany, izay azo antoka tsy ho fiafarany mihitsy. Hasain’Ikalalila hihaino ny « Anelanelantsika », « Rindrina », « Ranomason’ny omaly », « Vony Mavokely », « Domoina » ary « Nosy » ireo mbola mino ilay mazian’ny forona miantefa anaty fanahy... Zo ny Aina

Share this post: