INDRAY MIJERY
2026-01-25 - 21:08
Tranga voamarina miisa 11 mahakasika ny aretina Mpox ny alakamisy teo. Etsy Ambohidratrimo ny iray ary any Mahajanga ny 10. Mitotaly 430 ny tranga ka ny 286 no ahina ary 144 no tranga voamarina. Tsy mbola nisy ny aina nafoy. Ireo efa sitrana kosa dia tsy atahorana intsony hamindra amin’ny manodidina azy. Ny mpiasan’ny fahasalamana no voalohany mitondra fanentanana ho an’ny olona sy ireo mifanerasera aminy. Manome torolalana sy manentana ny marary hanatona toeram-pitsaboana. Mila mailo ireo mpiasan’ny fahasalamana rehefa tsy manaraka ny fepetra sakana ka mila hamafisina izany. Nakasitrahin’ny masoivoho amerikanina, noho ny fiaraha-miasa tamin’ny ESTI, tamin’ny tetikasa fanavaozana ny fandaharam-pianarany, Ny Dr Mehdi Mekni, U.S. Fulbright Specialist. Tamin’ny alalan’ny atrikasa, fifampidinihana tamin’ny mpampianatra, ary fifanakalozana akademika no nanomezany torohevitra momba ny fomba azo hampidirana ny fahazoana U.S. IT Certification izay ekena maneran-tany ao anatin’ny fandaharam-pianaran’ny ESTI.