TheMadagascarTime

Itaosy : Jiolahy efatra naiditra am-ponja

2026-03-02 - 04:26

Mpamaky fiara nandroba lelavola mitetina 15 tapitrisa Ar, niampy volamena sy finday, notanana vonjimaika any am-ponja, ny zoma 27 febroary lasa teo. Nitrangana asan-jiolahy teny amin’ny fokontany Ambohijafy, kaominina Bema­soandro Itaosy, ny alin’ny 21 febroary lasa teo. Namonjy lanonana ny tompony ka na­vela amoron-dalana ny fiara. Nosokirin’ireo mpanao ratsy anefa ny hidim-baravarana ary voaroba nandritra izany ny lelavola an-tapitrisa niampy firavaka. Nametraka fitarainana teny anivon’ny polisim-pirenena miasa ao Itaosy ireo niharan’ny fandrobana. Mbla nanohy ny asa ratsiny, sa­ron’ny mpitandro filaminana teo Bema­soandro ny lehilahy iray, ny talata 24 febroary teo. Mpangarom-paosy iray hafa koa nosamborina ny atoandron’io talata io. Ankoatr’io, roa lahy hafa tra-tehaka tao Ambohijafy. Ikoizana amin’ny fangalarana anaty fiara ireto farany. Natao ny fanadihadiana ary niaiky heloka tokoa izy ireo fa tompon’antoka sady nandray anjara tamin’ny fandrobana niseho ny alin’ny 21 febroary. Nentina teny anatrehan’ny fampanoavana izy efa-dahy. Notanana vonjimaika any amin’ny fonjan’Antani­mo­ra, miandry ny fotoam-pitsarana azy. Tsiferana R.

Share this post: