TheMadagascarTime

Jeneraly Ramakavelo Désiré: “Efa nanapotika firenena ny fiaraha-mitantana”

2026-03-24 - 04:43

Naneho ny heviny manoloana amin’izao hijoroan’ny governemanta izao ny Jly Ramakavelo Désiré. Notsiahiviny tamin’izany ny tantara. “Sahy handika ny baikon’ny Vondrona afri­­kanina sy ny Sadc ve ny Praiminisitra amin’ izao? Satria napetraka sy na­bariba­rin-dry zareo hoe mila fiaraha-mitantana. Sahy hanohitra an’ izay ve izy aloha”? Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Fiarovam-pirenena teo aloha sady mpandinika raharaham-pirenena, ny jeneraly misotro ronono, Ramakavelo Désiré Philippe, manoloana ny fiandrasana ny fijoroan’ny governemanta vaovao tarihin’ny Praiminisitra Rajaonari­son Mamitiana Jeannnot R.. Raha mila miara-mitantana, efa na­napotika ny firenena ny andro­an-tokony: ireo zaza navela, tsy maty voalavo an-kibo. Mbola hiara-miasa amin’ireny ve? Izay no tsy maintsy jerena. Amin’ny saina tsy miangatra, inona no omen-danja kokoa eo anatrehan’ny mpitondra amin’izao fotoana izao: ny hetahetan’ny vahoaka malagasy ve sa ny Vondrona afrikanina sy ny Sadc? Tsy maintsy misy fiovana ny governemanta. Araka ny tenin’ny Praiminisitra hoe: izay olona sahy... Mila fahasahiana izany. Tsy miraharaha izay hahasoa ny Malagasy ny Vondrona afrikanina sy ny Sadc. Ny fantany, tohizana ihany ny fanapotehana sy fampijaliana ny Malagasy. Izany ny hoe miara-mitantana, famoahana ny gadra politika. Inona ny gadra politika eo? Olona nanao ny tsy mety no nalefa any am-ponja, fa tsy hoe gadra politika. Tsy fanehoan-kevitra politika no ni­samborana azy, fa ny zava-tsy nety nataony. Zava-dehibe ny fanendrena ny Praiminisitra vaovao. Tsy hisy fanavaozana, raha tsy misy fanadiovana. “Mila fa­hasahiana ny fanadiovana”, hoy izy. Hatramin’izay, toy ny nisalasala sy matahotahotra... Inoana sy antenaina fa hiova tanteraka ny fomba fiasa ma­nomboka izao ao anatin’ny governemanta sy ny fitondram-panjakana. R. Nd.

Share this post: