TheMadagascarTime

Jiolahy raindahiny : Lavon’ny balan’ny zandary i La croix

2026-02-05 - 06:17

Lavon’ny balan’ny zandary miasa any amin’ny vondron-tobim-paritra Andilamena, omaly, tokony ho tamin’ny 6 ora maraina i La croix. Jiolahy raindahiny amin’ny resaka vaky trano sy halatra omby ary fandravana amin’ny endriny maro izy io. Naharay antso avy amin’ny olon-tsotra ny zandary fa misy lehilahy iray mihaodihaody ao antampon-tanànan’ny distrikan’Andilamena. Tsy niandry ela fa tonga nidina teny ifotony nijery ny zava-misy sy nametraka paikady ny mpitandro filaminana. Nandositra avy hatrany io olon-dratsy io vantany vao nahita azy ireo. Nasaina nijanona izy saingy nitari-dositra hatrany. Raikitra, araka izany, ny fifanjevoana teo amin’ny roa tonta. Nikasa hamely ireo zandary ilay jiolahy, ka voatery nitifitra azy ny mpitandro filaminana. Vokany, maty tsy tra-drano noho ny tifitra nahazo azy i La croix. Manentana ny olom-pirenena hatrany ny manam-pahe­fana mba hampandre azy ireo raha sendra misy tranga mampiahiahy eny anivon’ny fokontany tsirairay avy eny, mba hahafahana misambotra ireo olon-dratsy. Mino

Share this post: