Jirama: Hanolo ireo kaonteran-drano mihoatra ny 15 taona
2026-03-11 - 04:39
Mampahafantatra ny rehetra ny Jirama fa hatomboka eny Ankadindratombo sy ny manodidina ny fanoloana ireo kaoteran-drano efa antitra, mihoatra ny 15 taona. Tetikasa hanatsarana ny fisitrahana rano fisotro na PAEP, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Tanjona ny hanatsarana ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina. Hitety ny isan-tokantrano hanao ny asany ny teknisianin’ny Jirama, miaraka amin’ny karapanondro sy ny “badge” manamarina ny maha mpiasan’ ny Jirama azy ireo. Miantso ny mpanjifa hanamarina tsara ireo antontan-taratasy voalaza ity orinasa ity mialoha ny hanaovana ny asa. Ankilany, vita hatrany amin’ny 90% ny asa fanoloana ilay fantsona mpamatsy rano eny Mandroseza I. Hamokatra rano 1 000m3 isan’ ora eny an-toerana izy hamatsiana ny isan-tokantrano. Fotodrafitrasa Ankoatra izany, mponina miisa 1 650 sy tokantrano 450 ary mpianatra 800 no hisitraka rano fisotro madio ao Imerikandrefana sy Sahapetraka, kaominina Soavinandriana, faritra Itasy. Vita ny siniben-drano miaty 21m3, paompy fantsakana miisa 9, mamatsy vohitra 9 ary fantsona mirefy 2 600m. Tanteraka izany, vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, ny Programme d’appui à la gouvernance locale Itasy (Pagli) ary ny tomponandraikitra eny ifotony. Tanjona ny hahazoan’ny mponina rano fisotro madio sady mitondra fampandrosoana eny ambanivohitra. Henintsoa