«Journée de l’UJSM» : Hatao ny 14 sy 21 marsa ho avy izao
2026-02-19 - 04:45
Ao anatin’ny fandaharanasan-dRabenaivo Alain, filohan’ny Union des journalistes sportifs de Madagascr (UJSM), ny fandraisan’ ny mpanao gazety mikirakira ny fanatanjahantena anjara amin’ireo taranja misy eto Madagasikara. Nambarany fa misy ny fiaraha-miasa amin’ ireo ligy sy federasionina ka ampidirina ao anatin’ny fandaharam-potoanan’izy ireo ny andro ho an’ny UJSM na “Journée de l’UJSM”. Hisantatra izany ny fiarahana amin’ ny ligin’ny tsipy kanetibe eto Analamanga. Hotanterahina ny sabotsy 14 marsa ho avy izao izany. Fotoana hanokafan’ny ligy ny taom-pilalaovany. Hitohy ny sabotsy 21 marsa ho avy izao ny fifaninanana. Ny ligy no hamaritra ny kianja hilalaovana sy ny “formule” hanaovana ny fifaninanana, na ho an’olon-droa na ho an’ olon-telo miaraka. “Tsy hifaninana hiady izay ho tompondaka akory isika mpanao gazety. Ny tanjona dia ny tsy ho mpitatitra fotsiny fa manandrana ny zavatra iainan’ ireo atleta eny ambony kianja. Eto dia misaotra ny ligin’Analamanga sahady ny tenako ary miantso ireo ligy sy federasionina hafa”, hoy Alain Rabenaivo, filohan’ny UJSM. Santatra ity tsipy kanetibe ity fa hisokatra amin’ny taranja hafa avy eo. Hifarana ny sabotsy 28 febroary ho avy izao ny fisoratana anarana. Efa maro ireo nanamafy ny fandraisany anjara ho an’ity Journée de l’UJSM, taranja tsipy kanetibe ity. Tompondaka