TheMadagascarTime

Judo-Grand Slam de Paris : Judokas malagasy 5 hifaninana

2026-02-05 - 11:48

Hotanterahina ny 7 sy 8 febroary izao, any Accor Arena, ao Paris, ny fifaninanana “Grand Slam de Paris”, taranja Judo. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara. 7 miana­dahy no hisolo tena ny Malagasy hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany, ahitana an-dRasoanaivo Razafy Aina Laura, Andri­ambololona Zo Hajanirina, izay avy eto an-toerana. Hanampy azy ireo, amin’izany, ny mpikatroka mpilaravinahitra, ahitana an’Andrianjakavelo Sandaniaina sy i Mickaël Allo ary Randrianasolo Lova. Delegasionina matanjaka ireto hifani­nana, izay samy manana ny maha izy azy. I Laura sy i Zo izay efa tsara fiomanana am-bolana maro ka miandrandra vokatra tsara. Etsy ankilany, i Sandaniaina kosa izay vao avy nahazo medaly tamin’ny lalao afrikanina farany, ny taona 2025. I Mickaël sy i Lova izay efa niatrika fifaninanana iraisam-pirenena maro ihany koa. Ny hitondra avo ny voninahi-pirenena no tanjona ho an’ireo Malagasy solontena ary manantena ny hiambozona medaly avokoa izy rehetra. Fanararaotra hahazoana isa amin’ny fiadiana ny tapakila ho an’ny lalao Olympika ihany koa ity fifaninanana ity ho an-dRasoanaivo Razafy Aina Laura manokana. Mi.Raz

Share this post: