TheMadagascarTime

Kamiao tra-doza : Olona telo naratra mafy

2026-03-24 - 04:24

Nipitika ivelan’ny kamiao ny olona roa tamin’ireo telo voa mafy nandritra ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny “autoroute” mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ambohimanga, omaly tolakandro. Kamiao iray nidona tamin’ny rindrim-bato manasasaka ny arabe. “Nipitika nivoaka teo amin’ny fitaratra aloha an’ny fiara ny roa tamin’ireo tra-doza”, hoy ny fitantaran’ny nanatri-maso. Nifamonjena, nentina nihazo ny toeram-pitsaboana avy hatrany ireo olona telo voalaza fa naratra taorian’io loza io. Nandeha mafy ity fiara ity ary ahina ho tsy voafehin’ny mpamily tampoka ny familiana. Niafara tamin’ny lozam-pifamoivoizana izany. Tsy nisy aina nafoy. Potika ny rindrim-bato manasara-dalana voatrongin’ilay kamiao. Simba ihany koa ilay fiara. Tsiferana R.

Share this post: