« Kanto Miampita »: Revy Mahaleo amin’ny fomba hafa…
2026-03-27 - 04:53
Efa mitoetra mandrakizay ny sanganasan-dry Mahaleo. Endrika iray hitohizan’izany ny « Kanto Miampita », ifarimbonana mpanakanto maroloko. Rojo Ny Avo manao ny « Ry Tompo ». Silo mivazo ny « Fasan’adala ». « Iantrao » niarahan’i Nanie sy Tolotra, Bodo miventy ny « Tongava re ». Nifarimbonana ny « Faribolana », sns. Santionany tamin’ny famerenana nataon’ireo mpanakanto hanafana ny « Kanto Miampita » an-tsehatra ireo. Hetsika hamerenana ny « Revy Mahaleo » amin’ny fomba miavaka, izay hotontosaina anio zoma 27 marsa amin’ny 8 ora alina, eny amin’ny CCI Ivato. Nisy tany ivelany ny hoe « Génération Goldman ». Mpanakanto maro samy manana ny fironany amin’ny mozika no niara-namelona an-tsehatra ny sanganasan’ity andrarezin’ny hira frantsay ity, araka ny fanaovan’izy ireo azy. « Tsy haka tahaka be fahatany, saingy hanakaiky kokoa an’izay ity ketrika ity. Tsy hanova ny fanahin’ny hira nanaovan’ny Mahaleo azy akory izahay », hoy ny nambaran’i Mbola Talenta, izay nantsoina hitendry gitara no miandraikitra ny lafiny artistika ihany koa amin’ny seho. Manampy azy mitrotro ireo mpihira i Jack Thierry eo amin’ny gitara beso, Bib’s eo amin’ny zavamaneno tsofina ary i Finoana eo amin’ny amponga maroanaka. « Fomba iray ankasitrahana azy ireo sy ny sanganasany amin’ny fomba hafa izy ity. Tsy hanimbazimba ny fanahy niaingan’ny hira fa hitondra fihetseham-po hafa hanampy ny fankafizana azy ireny », hoy ny filazan’i Silo azy. Ao anatin’ilay lalantsain’ny « Kanto Miampita », fandaharana an’onjampeo iandraiketan’i Mbola Talenta, ity hetsika ity. Zo ny Aina