TheMadagascarTime

Kaominina Ivato : 10 taona nanaovana asa soa ny fikambanana Destiny

2026-03-24 - 04:53

Notanterahina tetsy amin’ny Minning Business Center, ny faran’ny herinandro teo, ny fanamarihana ny faha-10 tao­na nijoroan’ny fikambanam-behivavy, Destiny, izay tarihin-dRandrianarisoa Hoby, vadin’ny ben’ny Tanànan’ Ivato. 10 taona nanaovana asa sosialy amin’ireo sokajin’olona marefo sy zokiolona ary olona manana fahasembanana ny fikambanana. Tao anatin’izany fotoana izany dia efa an’aliny maro ireo olona nisitraka tohana manokana, indrindra ireo renim-pianakaviana mananontena sy tena sahirana ara-pivelomana miady irery amin’ny fiainana. Nanome voninahitra ny lanonana ny vadin’ny mpanolotsaina avon’ny Re­poblika, izay sady mponina eny Ivato rahateo. Nanome toky ny amin’ny fanohanana ny asa ataon’ny fikambanana ny tenany ary nidera ny herim-pon’ireo vehivavy mpikambana. Teo koa ny avy amin’ny masoivohon’i Chine sy In­donesie. Ankoatra ny fizarana fa­nampiana, mampiofana ireo tanora hanana fihariana maharitra ihany koa ny fikambanana. Manampy izay ny fanofanana mahandro sy fanaovana mofomamy, fitantanam-bola madinika.... Mian­toka ny fampidirana mpianatra an-tsekoly ireo zanaky ny tena sahirana ihany koa ny fikambanana, iarahany amin’ny mpiara-miombon’antoka. Hanohy ny asa soa amin’ny mpiara-belona ny Destiny miaraka amin’ireo vehivavy mpikambana efa 300 mahery ao aminy. Tatiana A

Share this post: