Karate – 80 taona: Vavolombelon’ny tantara i Hanshi Hugues
2026-02-04 - 05:18
Nankalazaina ny sabotsy 31 janoary lasa teo ny faha-80 taonan’i Hanshi Raharimanantsoa Hugues. Fifampizarana sy fampiofanana teny amin’ny Kianja mitafon’Ankatso no nanamarihana izany. Tonga marobe namaly ny antso ireo mpikatroka amin’ireo haiady 4 nataony dia ny Karate-do, Yoseikan Budō, Tai-chi-chuan ary ny Iaidō. Vavolombelon’ny tantara tamin’ireo haiady karazany 4 ireo i Hanshi Hugues ary manana ny toerany eto Madagasikara. Raha hiverenana ny fankalazana, ny sabotsy lasa teo, feno tanteraka ny fifampizarana ary nisy ny fampisehoana nataon’i Hanshi Hugues, izay nahitana fa tena mbola anatin’ny heriny tanteraka izy. Tsiahivina fa 8e dan ny tenany amin’ny karaté-do, 5e dan amin’ny Yoseikan Budo, 5e dan amin’ny Tai-chi-chuan ary manana ny grady 2e dan amin’ny Iaidō. Mpianatry Ramanitrandrasana René moa i Hanshi Hugues. Hafatra nomeny ny hoe mila manaiky ny fanapahan-kevitry ny mpitsara na dia mahatsapa aza ianao fa tokony ho mpandresy ary indrindra rehefa mikotrana dia tena mikotrana. Mbola hitohy eny amin’ny Batou Beach, ny 22 febroary, ny hetsika fankalazana, araka ny nambaran’ny filohan’ny kaomity mpikarakara, Rakotonirina Marcel. Mi.Raz