Karate-Analamanga: Niofana momba ny “Médecine du Sport”
2026-01-26 - 09:11
Nanatanteraka fiofanana mahakasika ny “Médecine du Sport”, teny Mahamasina, ny sabotsy lasa teo, ny eo anivon’ ny ligin’Analamanga ny Karate. Noho ny fahatsapan’izy ireo ny maha zava-dehibe ny lafiny fitsaboana eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena no anton’izao, raha ny nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga ny Karate, Rakotomalala Pierrot. Hampiakarana ny fahaiza-manao sy ny fahalalana ho an’ny mpikatroka karate no tanjona, hoy hatrany izy, satria maro ny tsara ho fantatra mahakasika ny fahasalamana mialoha ny hanaovana fifaninanana sy mialoha ny hanaovana karate, izay nampahafantarina azy ireo nandritra ity fiofanana ity. Hampita ny fahalalana amin’ireo atleta ireo niatrika ity fiofanana ity mba hahafahana mampihatra izay noratovina. Vinavina ny hanatanteraka ny fiofanana ho indroa isan-taona, raha ny nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga ny taranja karate hatrany. Anisan’ny niatrika ny fampiofanana tamin’io sabotsy io, ny filohan’ny federasionina ny Karate-do Malagasy, Ratefinanahary Émile. Mi.Raz