TheMadagascarTime

Karate-DAF : 14 mianadahy miofana eny Ampefiloha

2026-02-10 - 04:48

Miditra amin’ny andiany fahatelo ny fiofanana hahazoana ny “Diplôme d’animateur fédéral” na ny DAF karakarain’ny Federasionin’ny Karate-do malagasy. 14 mianadahy no manaraka izany. Nanomboka ny sabotsy 7 febroary lasa teo, eny Ampefiloha, ny fiofanana andiany fahatelo amin’ny DAF. Fiofanana hiarahan’ny fe­derasionin’ny Karate-do Ma­lagasy amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ary ny Akademia nasiona­lin’ny Spaoro. Fiofanana mitohy, izay hatao isaky ny sabo­tsy izy ity. Hisy ny 14, ny 21 ary ny 27 febroary, ara­ka ny fandaharam-potoana. Ankoatra izay, hisy koa ny fiofanana haharitra herinandro, ny 23 hatramin’ny 27 febroary. Lalana mankany amin’ny “Bre­vet d’Etat” ity “Diplôme d’animateur fédéral” ity ary mbola misy koa ny “Diplôme d’instructeur fédéral”, raha ny fanazavan’ny filohan’ny kaomisionina misahana ny fiofanana eo anivon’ny FKM, Rakotonirina Gilbert. Raha ny lamina efa napetraka, tokony hanana DAF amin’ity taona 2026 ity avokoa ireo mpampianatra sy “Maître de salle” rehetra. Tsy afaka ny hampianatra ny taranja karate intsony izay tsy manana, araka ny fanazavany hatrany. Tsia­hivina fa niisa 18 ny mpiofana nahazoana ny DAF tamin’ny andiany voalohany, raha toa ka 32 kosa izany tamin’ny andiany faharoa. Hiroso amin’ ny dingana manaraka dia ny fiofanana hahazoana ny “Diplô­me d’instructeur fédéral” ny andiany voalohany, afaka vo­lana vitsy. Mi.Raz

Share this post: