Karate-“Inter Makawa” : Nahatratra 215 ny mpandray anjara
2026-02-19 - 04:45
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Espace Queen Fanomezantsoa Ambohimangakely, ny fifaninanana “inter Makawa”, taranja karate. Fifaninanana andiany faharoa, izay efa natomboka tamin’ny herintaona, ity fifaninanana ity. Nisy ny fitokanana ny Seiko No kai Kama nandritra izany, ankoatra ny fifaninanana sy seho Body karate izay nampiavaka ny hetsika. Natao indrindra hanetsehana ny taranja karate eny anivon’ny klioba ny hetsika toy izao, araka ny nambaran’ny Sensei Mamy. Misy ihany ny fanentanan’ny Federasionin’ny Karate-do malagasy izay tonga nanotrona izany teny an-toerana ny mba hikarakarana fifaninanana eny anivon’ny klioba. Tsiahivina fa nahitana ny sokajy kely hatramin’ny lehibe ny fifaninanana. Nanolotra fisaorana ireo rehetra niara-nisalahy nahatontosa iny hetsika iny ny klioban’ny Makawa, anisan’izany ny FKM, ny raiamandreny, Shihan Ramanantsoa Eddie, izay tonga nanome voninahitra. Mi.Raz