TheMadagascarTime

Karate : Nomena fiofanana ireo mpitsara

2026-02-23 - 04:56

Nanomboka niova ny lalàna amin’ny fitsipiky ny fifaninanana eo anivon’ny WKF (World Karate Federation), tamin’ity taona 2026 ity. Izany indrindra no antony nanomezana fiofanana ho fanamafisana sy fampitana ny fiovana amin’ireo mpitsara malagasy, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny ANS Ampefiloha. Nambaran’ny filohan’ny mpitsara, Sensei Voahirana fa ny mpitsara no mifandray mivantana amin’ny atleta rehefa misy fifaninanana ka mba tsy hisian’ny fifandisoan-kevitra dia nampitaina tamin’izy ireo avokoa izany fiovana izany. Misy rahateo ny fampiofanana ho an’ny mpampianatra sy “maître de salle” izay hahitana mpiofana 24 amin’izao, andiany fahatelo izao, ka mila manaraka ny fitsipika WKF. Hisy ihany koa ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara sokajy ankizy sy vehivavy amin’ity herinandro ity, ka hahafahana mampihatra sahady ny fampiofanana izay nomena ireo mpitsara, araka ny fanazavan’ny filohan’ny federasionina ny Karate-do Malagasy, Ratefinanahary Émile. Mi.Raz

Share this post: