« Kilonga milalao » : Ho hentitra ny mpikarakara
2026-03-03 - 04:46
Hotanterahina eny amin’ny Kianja Betongolo, ny 7 sy ny 8 marsa ho avy izao, ny fifaninanana ho an’ny ankizy, « Kilonga milalao » andiany faharoa, izay karakarain’ny Analakely Football Academy (AFA). Nilaza ny mpikarakara fa hoezahina hatsaraina ny fifanintsanana ary ho hentitra izy ireo amin’ny fanaraha-maso, indrindra ho an’ireo sekolin’ny baolina kitra izay mampiasa mpilalao mangala-taona. Tanjon’ny hetsika ny hampivoatra sy hampivelatra ireo taninketsan’ny baolina kitra malagasy. Nilaza kosa ny tomponandraikitra fa tsy hisy ny sokajy vehivavy, amin’ity andiany faharoa ity, saingy mety hisy ny lalao ara-pirahavaviana hotontosaina eny an-toerana mandritra ny fifanintsanana mba ho fanamarihana ny andron’ny 8 marsa. Marihina fa ny sokajy zandriny, U7 sy U9 ary U13, no hampifanintsanana eny an-kianja amin’ny « Kilonga milalao », andiany faharoa. Ny volana novambra lasa teo, teny Betongolo ihany, nahatratra 1 200 mahery teo ireo ankizy tonga nandray anjara tamin’ny andiany voalohany. Fitia Randria