Kitra diviziona voalohany – PFL : Voatazon’ny CFFA sahala ny Disciples FC
2026-02-23 - 04:56
Tontosa ny faran’ny herinandro lasa teo, ny andro fahafito sady faran’ny lalao mandroso amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara “Pureplay Football League (PFL). Ho an’ny kaonferansy Atsimo, voatazon’ny CFFA Andoharanofotsy, ady sahala 1 no ho 1, ny ekipan’i Vakinankaratra, Disciples Fc, ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny Kianjan’ny Velodromes Antsirabe. Niady tanteraka ny lalao tany an-toerana, samy nampiseho ny fahaizany na ny ekipan-dry Rajaonarisamba Frank, mpanazatran’ny CFFA na ny an-dRazafindrakoto Mamisoa, Disciples Fc. Marihina fa ny mpampiatrano no nitarika tamin’ny isa 1 no ho 0, mialoha ny fialantsasatra. Baolina izay tafiditr’i Thino na i Lekaboy ny minitra faha-43. Teo amin’ny fidirana faharoa, nahomby sahady ny paikady napetrakin’ny CFFA. Nosahalain’i Christiano, lohalaharan’ny CFFA, iray minitra nanombohan’ny fidirana faharoa (46 min) ny isa teny amin’ ny solaitrabe. Tsy niova tamin’io ny isa io, ny fiafaran’ny lalao, na dia teo aza ny baolina tokony ho tafiditr’i Rova sy ry Marson, ho an’ny CFFA. Ny harato tokony nakoban-dry Fely, sy Tendry, ho an’ny Disciples Fc. Ankoatra izay, natsahatran’ny FC Rouge, ny fanjakanjakana tokana hataon’ny Cosfa Miaramila, ao amin’ny Kaonferansy Avaratra. Lavon’ireo mpilalao menalamba, tamin’ny isa 4 no ho 2, ny miaramila, omaly, tetsy Itaosy. Mbola mijanona voalohany isan-tsokajiny avy moa ny Disciples FC, nahazo isa 19 sy ny Cosfa, 15 isa, taorian’ireny vokatra ireny. Fitia Randria Ireo vokatra rehetra tamin’iny herinandro iny : Kaonferansy Atsimo : Disciples Fc (1) – (1) CFFA Mama Fc (1) – (1) Elgeco Plus As Ste Anne (3) – (1) Antimo Record Uscafoot (3) – (1) Cospn Kaonferansy Avaratra : Fosa Juniors (4) – (3) Clinique Zanatany Fc Rouge (4) – (2) Cosfa