KMF/Cnoe : “Fahadisoana bevava ny fandravana ny Ceni”
2026-03-23 - 04:43
“Tsy mety ny fandravana ny Ceni. Hanimba zavatra be dia be...”. Izay ny valin-tenin’ ny filoha lefitra nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, Rabekijana Félix, teny Antanimena, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny fitakian’ny fiarahamonina sivily sasany toy ny Hetsika Rohy ny tokony hanafoanana ny Ceni amin’ny fikarakarana fifidianana. Efa dingana vita ny nametrahana ny Ceni, tsy moramora. Tsy ny rafitra maha Ceni azy no ratsy, fa misy zavatra tokony hahitsy sy hatsaraina ao. Misy ny fiarahamonina sivily milaza hoe tsy handray anjara ao anatin’ny Ceni. Iray ihany ve ny zotram-pifidianana? Ny voka-pifidianana teto Antananarivo Renivohitra ihany ve ny voka-pifidianana? Manomboka any amin’ny fanaovana lalàna ny voka-pidianana. Anisan’ny ngezabe ao anatin’izay ny fandrafetana ny lisi-pifidianana. Vitan’ny olona iray irery, ny filohan’ny Ceni amin’izao, ve ny fanavaozana ny lisi-pifidianana? Tena fahadisoana bevava ny tsy hidirana ho mpikamban’ny Ceni. Izao fitondrana misy izao, mbola manaraka ny lamina araka ny lalàmpanorenana ihany aloha. Mipetraka avokoa ireo mpikambana ao anatin’ny rafitra. Ny rafitra teo aloha ihany no arahina amin’ izao. Ny Ceni no miandraikitra ny fifidianana. Tsy maintsy iandraiketany koa ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana. Kaominina 24 no haverina ny fifidianana. Tsy maintsy misy fiantsorohana andraikitra vaovao indray izay. Iza no hanao an’izay? Miandry inona indray vao hihetsika? Firy taona indray? Azo antoka ve fa ho vita ny lisi-pifidianana? Nefa efa 19 volana sisa izao... R. Nd.