Kolikoly eto Madagasikara: “Tsy misy fiovana firy ny vokatry ny ady natao”
2026-02-12 - 04:48
Isa 25/100 (IPC) no azon’i Madagasikara tamin’ny taona 2025, raha 26/100 tamin’ny taona 2024. Nihena iray ny isa azo, araka ny tatitry ny Transparency-International Initiative Madagascar (TI-MG), teny Andrainarivo, afakomaly. Laharana faha-148 amin’ny firenena 182 i Madagasikara, raha faha-142 tamin’ny taona 2024. “Tsy midika hoe nisy ezaka be tamin’ny 2024 tamin’ny isa azo. Tsy mihatsara tsy miharatsy, fa saika mijanona eo amin’ny 25/100 eo hatrany ny isa azo”, hoy ny fanazavan’ny tale mpanatanteraky ny TI-MG, Randriamampianina Mialisoa. Ny momba ny fifidianana sy ny demokrasia no tena mampidina ny isa azon’i Madagasikara. Tamin’ny taona 2024, anisan’ireo firenena ao anatin’ny hoe afapo amin’ny fifidianana ataony i Madagasikara. Misy ny fifidianana fa tsy misy ny demokrasia. Afa-mifidy ny olom-pirenena, fa tsy manova inona loatra eo amin’ny fampanjakana ny demokrasia izay fahazoana mifidy izay. Ao anatin’izany, ohatra, ny tsy fahafahana maneho hevitra, ny tsy fahazoana manao hetsika, ny tsy fahalalahana amin’ny fanaovana fifidianana. Na ho an’ny mpifidy izay, na ho an’ny kandidà: midangana be, ohatra, ny anto-bola firotsahan-kofidina. Sarotra ho an’ny vehivavy ny miatrika an’izay. Olana avokoa izany. Nanomboka tamin’ny 2024, mizotra mankany amin’ ireo firenena fito arahi-maso momba ny demokrasia i Madagasikara. Tsy maintsy atao izay hialana amin’izay, mba hiarovana ny fifidianana ho avy izany. Eo koa ny fiarovana ny zo hiaina ao anatin’ny demokrasia sy ny fifidianana madio, izay nampidina ny isa azo. R. Nd.