TheMadagascarTime

Kolontsaina sy zavakanto: Mbola vitsy ireo sahy mamatsy tetikasa

2026-01-29 - 09:13

Hatramin’izao, mbola ny tontolon’ny hira ihany no ma­hi­ta hirika. Manome na mampiasa vola hanatanterahina ny famerenan-kira sy ny fiakarana an-tsehatra ny mpandraharaha, rehefa avy nanao kajy fa ho voaverina ny volany. Ha­hazo tombony izy. Tsy ny hira irery, anefa, no zavakanto. Ani­san’ny manana tetikasa goavam-be, ohatra, ry zareo mpanao tantara an-tsary, ato ho ato. Tao anatin’ny taona ma­romaro. Tsy nisy namaly sy na­nohina ireo antso natao mom­ba ito tetikasa hamadihana ho tantara an-tsary ireo angano malagasy mitahiry soatoavina ireo. Tahaka izany ihany koa ilay tetikasa lehibe hoentin’ny vondron’ireo mpampianatra zavamaneno nentin-drazana. Ny fanazavana ve no tsy ampy sy tsy maharesy lahatra ireo mpampiasa vola? An­koatra ny tontolon’ny hira, tsy mbola misy zavakanto na ko­lontsaina hafa, maharesy lahatra ve eto Madagasikara? Tsy mbola nahavita nanamporofo ny maha zava-dehibe ny zavakanto sy ny kolontsaina ve ny mpikirakira izany?... ... Ilay fanabeazana ny Malagasy no mila atodika any amin’ny fototra sy any amin’ny loharano nipoirana. Fahiny, nandray anjara lehibe tamin’ny fanabeazana sy fitaizana ary fampitam-pahalalana ny zavakanto sy ny kolontsaina. Ankehitriny, zary fanalana ha­mohamo sisa no andraisana azy ireny, ka na mamotika ny soatoavina izao aza, mbola lazaina fa zavakanto ihany. HaRy Razafindrakoto

Share this post: