Laboratoara Leader : Manomboka miara-miasa amin’ny mpikaroka
2026-02-28 - 05:36
Efa misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpianatra ny laboratoara Leader eo anivon’ny sekoly ambony ES DES, amin’izao fotoana izao. Misokatra ho an’ny rehetra fa tsy ho an’ny avy amin’ny Oniversitem-panjakana ihany. « Natao ity laboratoara ity hampitomboina ny tahan’ny manampahaizana eto Madagasikara », hoy i Manjaka Rakoto David, talen’io sekoly ambony io. Anisan’ny fotodrafitrasa iray goavana entina hampitomboana ny tahan’ny olona manampahaizana ho fantatra menaran-tany io vovonana io. Manana tombony lehibe amin’izany ny mpikaroka, ny mpampianatra mpikaroka, ireo mpianatra izay manomana ny doctorat ary ireo mpampianatra manomana ny HDR. Eo koa ireo mpianatra manomana ny mari-pahaizana licence sy Master. Afaka hisitraka ny “Publication international » avokoa ny manampahaizana eto amin’ny firenena. Tanjona ny hampisehoana amin’ny iraisam-pirenena fa manana manampahaizana maro i Madagasikara. Nohamafisiny fa azo atao tsara ny mampiditra azy ireo ao anatin’ny tahiry, angon-drakitra iraisam-pirenena, na « base de données international ». Mino