Lalao ara-pirahalahiana : Hitsapa ny heriny amin’i Kirghizistan i Madagasikara
2026-03-28 - 04:53
Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Callista Sport Center Belek, Antalya Torkia, ny fihaonana eo amin’ny Barean’i Madagasikara sy i Kirghizistan. Sambany ho an’ny Malagasy ny hifanandrina amin’ireo ekipa nasionaly avy ao Azia. Araka ny fikarohana natao, ekipam-pirenena faha-103 ao amin’ny filaharan’ny Fifa izany Kirghizistan izany, raha toa ka aorian’izy ireo ny Barea, faha-104. Raha ny fantatra, hatreto, efa maro ireo fanazaran-tena nataon’ny Malagasy mpilalao. Ao anatin’izany ny fanamafisana ny fiarahana sy ny lafiny taktika rehetra. “Efa ao anatin’ny heriko tsara aho, efa niatrika fanazarantena tsara, na ara-batana izany na ara-taktika”, hoy i El Hadary, lohalaharan’ny Barea, mpilaravinahitra. Marihina fa mpilalao avy eto an-toerana miisa efatra ihany no nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra ny Barea, anisan’izany ry Bono sy Radobe, mpilalaon’ny Disciples FC; i Toldo sy i Toky, avy ao amin’ny Elgeco Plus. Nanolo ny toeran’i Andy Pelmard, izay tsy afaka moa i Toky. Ampahatsiahivina fa ny 31 marsa ho avy izao, any an-toerana ihany, hiverina hifanandrina amin’i Guinée Equatoriale i Madagasikara. F.R