Lalao Olympika amin’ny andro ririnina : Hisolo tena an’i Madagasikara i Mialitiana sy i Mathieu
2026-01-28 - 05:53
Hanana solontena i Madagasikara mandritra ny andiany faha-25 amin’ny lalao Olympika, fanao amin’ny andro ririnina. Fifaninanana hotanterahina any Italie, ny volana febroary ho avy izao. Hiatrika izany i Mialitiana Clerc sy i Mathieu Gravier. Hiatrika ny “slalom” sy ny “slalom géant” i Mia, raha eo amin’ny “slalom géant” ihany ny an’i Mathieu. Hotanterahina any Milan-Cortina, Italie, ny zoma 6 febroary ka hatramin’ny alahady 22 febroary 2026 izao, ny lalao Olympika fanao amin’ny andro ririnina. Hanana solontena hiatrika izany i Madagasikara amin’ity andiany faha-25 ity. Atleta mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena, amin’izany, i Mialitiana Clerc (Mia Clerc) sy i Mathieu Gravier. Io no nambaran’ny Federasionina malagasin’ny Ski, omaly, tao amin’ny tranokalam-pifandraisany. Hifaninana eo amin’ ny ski alpin, izany hoe, ny “slalom geant” sy ny “slalom” i Mia Clerc. I Mathieu kosa hiatrika ny ski alpin amin’ny “slalom géant”. Tsy vao izao ireto Malagasy atleta ireto no hiatrika izany. Raha ho an’i Mia Clerc, fandraisana anjara fanintelony ity. Raha tsiahivina ny vokatra azony, ny taona 2018, tany Pyeonchang. Laharana faha-48 teo amin’ny “slalom géant”, ka 2 mn 39 s tao anatin’ny fihodinana roa natao. Faha-47 kosa ny tovovavy ho an’ny “slalom”, ka 2 mn 00.27 s ny nahavitany izany. Nihatsara izany zava-bitany izany ny taona 2022, tany Pekin. Faha-41 teo amin’ny “slalom géant” ary faha-43 teo amin’ny “slalom”. Inoana fa hiakatra hatrany izany vokatra izany, amin’ity. Fandraisana anjara fanindroany kosa izany ho an’i Mathieu. Ny voalohany, tany Pekin, ny taona 2022, ka teo amin’ny laharana faha-41 ho an’ny “slalom”, raha niala an-daharana teo amin’ny “slalom géant”. Atleta efa manana traikefa i Mathieu satria efa intelo niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ka ho an’ny sokajy “junior” ny taona 2024, natao tany Haute Savoie. Sokajy “senior” notanterahina tany Courchevel/ Meribel, tamin’ny 2023 sy ny tany Saalbach, tamin’ity taona ity kosa ny faharoa. 23 taona i Mathieu Gravier, raha 25 taona i Mia Clerc. Tompondaka