TheMadagascarTime

Lalao Olympika amin’ny ririnina : Faha-50 i Mialitina Clerc

2026-02-17 - 04:58

Niditra an-tsehatra ny alahady lasa teo i Mialitina Clerc, teo amin’ny fifaninanana fikorisana amin’ny ranomandry, lalao Olympika fanao amin’ny andro ririnina. Fifaninanana notanterahina tany Milan-Cortina, Italie. Nitana ny laharana faha-50 tamin’ireo mpandray anjara 76 niatrika ny Ski, ho an’ny Slalom géant ny tovovavy. 2 mn 31, 99 s ny fe-potoanany tao anatin’ireo fihodinana roa nataony. Izany hoe, mihoatra 18, 49 s amin’ny vitan’ilay Italiana, tompondaka Olympika. Raha tsiahivina, nandritra ny dingana voalohany natao tany Tofane, laharana faha-54 izy rehefa nahavita ny fifaninanany tao anatin’ny 1 mn 12, 35 s. Teo amin’ny dingana faharoa, tsy nahavita nanatsara ny zava-bitany i Mialitina, satria 1 mn 19, 64 s ny fe-potoanany. Na izany, anisan’ireo nahatontosa ny fihaonany hatramin’ny farany izy satria niala an-daharana avokoa ireo mpifaninana 20 nisoratra anarana tamin’ity. Tsy mbola tapitra akory ny fifaninanana ho azy amin’ity lalao Olympika fanao amin’ny andro ririnina ity fa hiatrika ny Slalom indray ny tenany, rahampitso. Tompondaka

Share this post: