Lomano: Hamoaka mpilomano sangany ny ligin’Analamanga
2026-02-02 - 05:07
Nanokatra ny taom-pikatrohana 2026, ny faran’ny herinandro teo, ny ligin’Analamanga, taranja lomano. Mpilomano 154 no nifaninana teny amin’ny ANS Ampefiloha. Tanjon’ny ligin’Analamanga, taranja lomano, amin’ny fifaninanana karakarainy ny hamoaka mpilomano sangany afaka hisolo tena ny faritra, araka ny nambaran’ny filohany, Razafindramahatra Harijesy. Fifaninanana anisan’ny lehibe sy nahafahana namoaka ireo “Top 5” isaky ny sokajy no nanokafana ny taona. Hita taratra ny fiakaran’ny fahaiza-manao sy ny lentan’ny mpilomano. Nahitana mpandray anjara avokoa ny sokajy avenir, poussin, benjamin, minime, cadet, junior ary senior. Anisan’ny hazakazaka nisongadina ny teo amin’ny 100 m nage libre izay nifaninan’Andriampenomanana Baritiana (Managing) anjara. Nahavita nanatsara zava-bita ho 54′′03 izy, raha toa ka 54′′13 no nanaovan-dRatefy Anthony Sitraka (CJST) izany. “Nahafa-po ny mpikarakara ny tahan’ny fandraisana anjara”, hoy hatrany ny filohan’ny ligin’Analamanga. Tafakatra 154 ny nifaninana, izay manaporofo fa manana mpilomano antenaina maro ny eto Analamanga. Klioba 12 nandefa solontena tamin’ity fifaninanana natao afakomaly ity. Miandry ny fiadiana izay ho tompondakan’Analamanga, hatao ny volana marsa izao, ny ligy sy ny mpilomano. Aorian’izay, hisy ny fampivondronana hanomanana ny ekipan’ny faritra hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara. Mi.Raz