TheMadagascarTime

Lutte sy ny MJS : Vonona hiaro ny tombontsoan’ ireo atleta ny minisitra

2026-01-31 - 07:08

Ny alakamisy lasa teo, tonga nitsidika ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, tetsy Ambohijatovo, ny Fe­derasionina malagasin’ny taranja tolona(FML), tarihan’ny filohany, Raveloson Ma­mitiana. Nisongadina nandritra ny fihaonana ny filazan’ireo Malagasy atleta ny tena hetahetany sy ny fanamby apetrak’izy ireo amin’ity taranja ity. Nanamafy ny minisitra fa vonona ny hikatsaka sy hiaro ny tombontsoan’ireo Malagasy mpikatroka ny tenany, ary mankahery azy ireo amin’ny fanohizana ny ezaka sy ny fahafoizan-tena, amin’ny fitondrana avo ny voninahi-pirenena. Tsara ny mampahatsiahy fa mikasa ny handray anjara amin’ny fifanintsanana iraisam-pirenena maro ny Fe­derasionina, amin’ity taom-pilalaovana vaovao ity. Ani­san’izany ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany sokajy zandriny, hatao ny volana aogositra ho avy izao. Eo koa ny lalao Olympika ho an’ny tanora U17 hotontosaina any Sénégal, ny volana novambra ho avy io. Ho fiatrehana izany, hisy ny fifanintsanana nasionaly, sokajy se­niors sy junior, hotontosaina ny 14 sy ny 15 febroary ho avy izao. Izay mendrika amin’izany no hiatrika fampivondronana ary ao no hifantenana ireo izay atleta hiaro ny voninahi-pirenena sy teknisianina. Fitia Randria

Share this post: