TheMadagascarTime

Madagasikara-Maurice : Hamafisina ny fiaraha-miasa ara-pitsarana

2026-02-07 - 04:58

Vonona hanamafy ny fiaraha-miasa ara-pitsarana efa misy eo amin’i Madagasikara i Maurice, araka ny nambaran’ny tonia mpampanao lalàna maorisianina, i Gavin Patrick Cyril Glover, nihaona tamin’ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, tao Port Louis, Maurice, afakomaly. Niompanan’ny dinika ny fametrahana rafitra hanamora sy hanafaingana ny fitantanana ireo raharaha ara-dalàna mahasoa ny firenena roa tonta. Nojerena manokana ny zava-misy iai­nan’ireo teratany malagasy miatrika fahasahiranana ara-pitantanana miaraka amin’ny manampahefana maorisianina, na tsy nanao heloka bevava aza. Voaresaka koa ny fanamorana ny fampodiana ireo gadra malagasy efa nahavita ny ampahatelon’ny saziny, ary tsy iharan’ny raharaha ara-pitsarana hafa mbola miandry. Samy naneho ny faniriany mafy ny roa tonta hampiroborobo ny fifanakalozana traikefa sy fahaiza-manao ara-pitsarana, indrindra eo amin’ny fanadihadiana sy ny fanenjehana fandikan-dalàna. Nisy koa ny fihaonan’ny minisitry ny Fitsarana tamin’ny talen’ny fampanoavana, i Rashid Amine, omaly. Nam­ba­ran’ity farany fa rariny sy hitsiny ny famerenana amin’ny vahoaka malagasy ireo vola azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna taty Madagasikara. Satria fananan’ny vahoaka malagasy izany. Tsy maintsy ialohavan’ny didy fanamelohana, araka ny lalàna, ny dingana rehetra. Mitaky fahare­tana sy fiaraha-miasa matotra eo amin’ny fitondram-panja­kana sy ny fitsarana ary ireo sampandraharaha malagasy voakasika izany: Samifin, Pac, Bianco, Arai. Manoloana izany, nanamafy ny fahavononany ny fampanoavana maorisianina: hiara-miasa akaiky amin’i Madagasikara amin’ny fikarohana ny marina sy ny fanenjehana ireo fandikan-dalàna ara-bola. R. Nd.

Share this post: