TheMadagascarTime

Madagasikara sy Rosia: Tonga ny helikoptera MI-8 sy fiara ho an’ny traboina

2026-02-19 - 04:15

Mamita iraka any Rosia, hatramin’ny omaly, ny filoham-panjakana Randrianirina Michaël. Efa tonga eto Madagasikara kosa ny helikoptera sy ny fiara hoenti-manampy ny traboina. Afaka andro vitsy no ho avy ny fiaramanidina miaraka amin’ny sakafo. Nanampy eo amin’ny fampitaovana noho ny takaitra navelan’ny rivodoza Fytia sy Gezani ny fanjakana Rosianina. Efa eto an-toerana, hatry ny afakomaly, ny angidimby MI-8 sy fiarabe miaraka amin’ny fanampiana hafa. Hiampy fiaramanidina iray mitondra sakafo sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro izany, afaka andro vitsy, hoy ny nambaran’ ny eo anivon’ny Masoivohon’i Rosia. Marihina fa mifanandrify indrindra amin’ny fitsidihana ofisialy, ataon’ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblika any an-toerana, ankehitriny, izany. Tsiahivina fa nahazo fanasana manokana avy amin’ ny filoha Vladimir Poutine ny tenany. Any Frantsa Hanatanteraka fihaonana ofisialy amin’ny filoha Fran­tsay, Emmanuel Macron, ao amin’ny Lapam-panjakana Élysée ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, aorian’izany. Hotontosaina ny alahady ho avy izao ny dinika ao Paris, raha tsy misy ny fiovana. Tsy mbola misy mipika ny votoatin’ny resaky ny roa tonta. Ny azo antoka dia ny mahakasika ny voina mahazo an’i Madagasikara. Tombana­na ihany koa ny momba ny fikaonandoham-pirenena sy ny fifidianana. Efa nisava lalana ity fihaonan’ny filoha roa tonta ity ny fitsidihan’ny minisitry ny Raha­raham-bahiny, Razanamaha­soa Christine, tany an-toerana, tamin’ny volana janoary. Toraka izany, ny fitsidihan’ny filohan’ny Antenimieram­pire­nena, Randrianasoloniaiko Siteny, tany amin’ny Lapam-panjaka Élysée, tamin’ny herinandro. Brics Ankoatra izany, mbola hitety firenena aziatika maromaro ny filoham-panjakana, aorian’ izao diany any Eoropa izao. Tombanana fa ny ho fiaraha-miasa amin’ireo firenena mi­vondrona eo anivon’ny Brics, ahitana an’i Brezila, Rosia, Inde, Sina ary Afrika Atsimo ny anton-diany any amin’ny faritra. Efa natsidiky ny Filoham-panjakana teo am-piaingana teny Ivato, afakomaly alina, ny fisokafana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny firenena rehetra izay heverina hahitana tombontsoa ho an’ny vahoaka malagasy. Synèse R.

Share this post: