Manonga i Madagasikara
2026-02-21 - 06:16
Izao farany herinandro izao no mamita iraka any Frantsa ny delegasionina malagasy, tarihin’ny filohan’ny fanavaozana Randrianirina Michaël. Mazava ho azy fa dinikasa mahakasika ny fiaraha-miasa amin’ny tany roa tonta ny anton-dia. Ny frantsay rahateo aloha raha ny tantara no reny malala. Tsy mbola tapaka tsara ny tadimpoitra. Tsy mbola afaka misara-nono mihitsy rahateo moa. Ny vava no betsaka rehefa mba miadiady iny. Inona moa fa toy ny mpianaka mba mifamalifaly ireny. Tsy ifanomezan-tsiny anefa izany satria diplaomasia no resaka. Samy mba mikajikajy izay azony roritina eny ny firenen-drehetra. Angaha misy afaka hilazana fa mahazaka tena na ireo heverina ho firenen-dehibe aza. Jereo ity ady saritaka maneran-tany samy milaza fa henjana avokoa kanefa marefo ihany amin’ny kajikajy samihafa. Tsy misy mahasahy mandeha irery izany fa mifandrirodrirotra eo. Samy mitady ny hirika hahazoana ny “akama” itokisana. Azo lazaina anefa fa tsara sy manana ny maha izy azy i Madagasikara na eo aza izany rehetra izany. Hihazakazahana sy ifanotofana ny fifampiresahana amin’ny mpitondra ny fanavaozana. Midika izany fa na mbola eo aza ny sazy sy ny karazana tsy fankatoavana dia misy ny endri-pisitrahana ilay fanjakana mijoro. Porofo mivainga, aorian’i Eoropa, efa manangasanga ny any amin’ny bekintana sy ny any Azia rehetra any. Tsy misy firenen-dehibe manao tsinontsinona an’i Madagasikara izany. Ny tiana hampitaina amin’ny famakafakana, malalaka ny kianja hilalaovana amin’ny raharaha iraisam-pirenena. Miankina amin’ny fahaizan-dRamalagasy sisa ny ambiny. Maro ny herijika azo trandrahina, betsaka ny tolotra azo isafidianana. Tsy olana ny maha Nosy fa maro ireo manokatra varavarana sy mangataka tolo-tanana. r.r