TheMadagascarTime

Masa-bary maito kitoza

2026-02-23 - 04:46

Raha ny fandaharam-potoan’ny filohan’ny fanavaozana sy ny vaovao avy any ivelany, hisy ny fihaonana amin’ ny filoham-panjakana malagasy sy ny filoha frantsay, raham­pito. Fihaonana izay be mpanaraka tokoa satria handra­sana izay tapaky ny roa tonta mandritra ny dinika. Niara­han’ny rehetra nahalala rahateo fa ny fialana ambany vahoan’ i “reny malala” no nitokonana. Anisan’ny fitakiana nifanekena teny an-kianja ny maha­kasika izay. Indrisy, mbola tsy afa-miala i Madagasikara. Tsy azo atao ambanin-javatra mihitsy ny fitsokan’ny rivotry ny jeopolitika maneran-tany. Na izany aza, tsy azo hamaivanina ny anjara toerana misy an’i Frantsa amin’ny raharaham-pirenena eto Madagasikara. Mbola manana ny maha izy azy amin’ny lafiny rehetra ity firenena ity. Tsy tokony hatao sakana anefa ny toerana misy azy mba hisian’ny fisokafana. Mila mijery akaiky izay tsy hafaty ny reniny, tsy hamono ny zanany ny mpitondra Malagasy. Tsy fotoan’ny mandeha ila intsony izao. Fotoana fanararaotana ny fivoaran’ny fifandraisan’i Frantsa amin’ny firenena Afrikanina. Vanim-potoan’ny fahasahiana mitaky sy mametraka fepetra izao ho an’i Madagasikara. Iaraha-mahalala rahateo fa efa ifandrohitana ny fisokafana amin’ny fiaraha-miasa. Tsy vitan’ny tandrefana sy ny mpamatsy vola maha­zatra intsony. Izay sahy maty rahateo no mifono lambamena, hoy ny fiteny. Izay tsy mahasahy manararaotra ny herijika ihany no tavela. Mahakasika ny fihaon’ny Kolonely amin’ny filoha fran­tsay dia inoana fa hitondra soa izany. Azo lazaina ho masa-bary maito kitoza ny fifanakalozan-kevitra. Tonga amin’ny ilana azy, indrindra amin’izao vanim-potoana fana­renana ny takaitra navelan’ny rivodoza indroa miantoana, nandravaravana an’i Madagasikara izao. Tsy afaka ny miolonolona mihitsy aloha, manoloana ny fahavoazana. Mafimafy ny asa miandry, tao-trano tsy efan’ny irery rahateo! r.r

Share this post: